James 1:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa miposaka ny masoandro mbamin’ny hainandro mahamay; mampalazo ny ahitra izany ka mihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Toy izany koa no ho falazon’ny mpanankarena amin’ny raharaha ataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra: toy izany koa ny mpanankarena, halazo amin’izay alehany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, niposaka ny masoandro ombàn’ny hafanana migaingaina, dia nampalazo ny ahitra; ka nihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Dia toy izany koa ny mpanankarena: ho levona eo anivon’ny lahasany izy.
Malagasy Bible 1865
Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa miposaka ny masoandro mbamin’ny hainandro mahamay; mampalazo ny ahitra izany ka mihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Toy izany koa no ho falazon’ny mpanankarena amin’ny raharaha ataony.
malagasy