James 1:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izay fatra-pandinika ny lalàna lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin’izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an’asa, dia ho sambatra izy amin’izay asa tanterahiny.
Malagasy Bible 1865
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.