James 1:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mahafehy ny lelany fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy manao ny tenany ho mpivavaka saingy tsy mahafehy ny lelany, dia mamita-tena ka zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
Malagasy Bible 1865
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mahafehy ny lelany fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
malagasy
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.