James 1:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
malagasy
Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. [ Na: kely fahendrena]