James 2:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ilazan’ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia inona moa no soa azonareo milaza aminy hoe: «Veloma finaritra, manaova mafana tsara, manaova voky tsara», raha tsy mba omenareo azy izay ilain’ny tenany?
Malagasy Bible 1865
ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?
malagasy
ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany?