James 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka miteny hoe: Mipetraha etsy amin’ny toerana aloha ianao! Nefa miteny amin’ilay mahantra kosa hoe: Mijoroa eroa ianao! Na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ilay mitafy sarobidy no jerenareo sy ataonareo hoe: «Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha,» fa ilay mahantra kosa ilazanao hoe: «Mitsangàna erỳ, na mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hajahajainareo erỳ ilay olona miakanjo marevaka sady ataonareo hoe: «Etsy amin’ny toeram-boninahitra ianao mipetraka, azafady»; fa ilay mahantra kosa ataonareo hoe: «Mijorojoroa eo ianao, na eto an-tongotro mipetraka».
Malagasy Bible 1865
koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka miteny hoe: Mipetraha etsy amin’ny toerana aloha ianao! Nefa miteny amin’ilay mahantra kosa hoe: Mijoroa eroa ianao! Na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro!
malagasy