James 2:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny mahantra amin’izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Henoy ange, ry havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin’ izao tontolo izao no efa nofidin’Andriamanitra, mba hanan-karena amin’ny finoana ka handray ny Fanjakana izay nampanantenainy homena ireo tia Azy.
Malagasy Bible 1865
Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny mahantra amin’izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
malagasy
Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?