James 2:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa ianareo dia nanala baraka ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy ireny va no mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianareo kosa, ka ny mahantra indray no alànareo baràka! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho any amin’ny fitsarana?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianareo kosa, manao tsinontsinona ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena ve no mampahory anareo sy mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana?
Malagasy Bible 1865
Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa ianareo dia nanala baraka ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy ireny va no mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana?
malagasy
Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?