James 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra avokoa ianareo rehetra satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika mpampianatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry havako, aza dia maro loatra no te ho mpampianatra, satria fantatrareo fa hotsaraina mafy kokoa izahay mpampianatra.
Malagasy Bible 1865
Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra avokoa ianareo rehetra satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika mpampianatra.
malagasy
[Anatra ny amin'izay mety hataon'ny mpampianatra, indrindra fa ny tsy hanotany amin'ny lelany, ary ny toetry ny fahendrena avy any ambony] Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.