James 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany koa ny lela, taova kely izy kanefa mirehareha fatratra. Indro afo kely monja dia mahadoro ala lehibe!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany koa ny lela: rantsam-batana kely foana izy, nefa zava-dehibe no mety ho vitany, jereo izay afo kely foana: dia ala lehibe manao ahoana no doroany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia toy izany koa ny lela: kely izy eo amin’ireo zavatra anisan’ny tena, nefa mirehaka ho mahefa zava-baventy. Saino fa pitik’afo tsy toy inona dia afa-mampirehitra alabe.
Malagasy Bible 1865
Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany koa ny lela, taova kely izy kanefa mirehareha fatratra. Indro afo kely monja dia mahadoro ala lehibe!
malagasy
Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny antontan-kazo arehitry ny afo kely! [ Na: ala]