James 3:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Afo koa ny lela, faharatsiana tsy hita lany: Eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena manontolo ka mandoro izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny afobe izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lela koa dia afo; fototry ny haratsiana maro izy. Eo amin’ny rantsam-batantsika, dia izy no mandoto ny tenantsika manontolo; arehitry ny gehen’afo izy, ka mandrehitra ny fandehan’ny andro iainantsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny afo ny lela: manjary fototry ny faharatsiana tsy hita lany izy eo anivon’ireo zavatra anisan’ny tenantsika; mandoto ny tenantsika manontolo izy, ka sady mandrehitra afo eo amin’ny fizotran’ny fiainantsika no arehitry ny afo avy amin’ny lohasahan’afo.
Malagasy Bible 1865
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Afo koa ny lela, faharatsiana tsy hita lany: Eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena manontolo ka mandoro izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny afobe* izy.
malagasy
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy; [ Gr. Gehena]