James 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Folaka avokoa ny karazana bibidia rehetra sy ny vorona ary ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ny any an-dranomasina. Eny, voafolaky ny olombelona ireny,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Azo folahina avokoa ny biby isan-karazany, ny vorona, ny biby mandady, mbamin’izay any an-dranomasina, ka efa voafolaky ny olombelona;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Folahin’ny olombelona daholo ny karazam-bibidia sy ny karazam-borona mbamin’ny biby mandady amin’ny tany sy ny zavamananaina any an-dranomasina, ary dia voafolany avokoa.
Malagasy Bible 1865
Fa folaka avokoa ny karazan 'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Folaka avokoa ny karazana bibidia rehetra sy ny vorona ary ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ny any an-dranomasina. Eny, voafolaky ny olombelona ireny,
malagasy
Fa folaka avokoa ny karazan'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; [ Gr. fomban']