James 5:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry rahalahiko, raiso ho fianarana ny fiaretana fahoriana sy ny fahari-po teo amin’ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra, ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry havana, aoka ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana.
Malagasy Bible 1865
Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry rahalahiko, raiso ho fianarana ny fiaretana fahoriana sy ny fahari-po teo amin’ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo.
malagasy
Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.