James 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, ambarantsika ho sambatra izay efa niaritra! Efa renareo ny fiaretan’i Joba, ary hitanareo ny anjara nomen’ny Tompo azy tamin’ny farany, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra. Efa renareo ny niaretan’i Jôba; ary efa hitanareo koa ny nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany. Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, ambarantsika ho sambatra izay efa niaritra! Efa renareo ny fiaretan’i Joba, ary hitanareo ny anjara nomen’ny Tompo azy tamin’ny farany, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.
malagasy
Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.