James 5:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza. Fa aoka ny Eny ataonareo dia ho Eny, ary ny Tsia ataonareo dia ho Tsia, fandrao hiharan’ny fitsarana ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havako, dia aza mianiana akory, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary indrindra indrindra, ry havako, aza mianiana mihitsy ianareo, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka hanao «eny» ianareo rehefa manaiky, ary hanao «tsia» rehefa mandà, fandrao hihatra aminareo ny fanamelohan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza. Fa aoka ny Eny ataonareo dia ho Eny, ary ny Tsia ataonareo dia ho Tsia, fandrao hiharan’ny fitsarana ianareo.
malagasy