James 5:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary nahery nivavaka izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany aloha ny ranonorana nandritra ny telo taona sy enim-bolana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olona tahaka antsika izao ihany i Elià; fa nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, dia tsy nilatsaka ny ranonorana telo taona sy tapany;
Malagasy Bible 1865
Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary nahery nivavaka izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany aloha ny ranonorana nandritra ny telo taona sy enim-bolana.
malagasy
Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.