James 5:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, mitaraina ny karamany izay hazoninareo ny mpiasa nijinja ny taninareo; ny tolokon’ny mpijinja dia tonga any am-poto-tsofin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy voaloanareo akory ny karaman’ireo mpiasa nijinja ny taninareo, ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan’ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, mitaraina ny karamany izay hazoninareo ny mpiasa nijinja ny taninareo; ny tolokon’ny mpijinja dia tonga any am-poto-tsofin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy
Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.