James 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mahareta tsara ary, ry rahalahy, mandra-piavin’ny Tompo. Indro ny mpiasa tany miandry ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany ka maharitra amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mahareta àry, ry kristianina havako, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny vokatsoan’ny tany: miandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan’ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mahareta tsara ary, ry rahalahy, mandra-piavin’ny Tompo. Indro ny mpiasa tany miandry ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany ka maharitra amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
malagasy
[Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.