Jeremiah 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’NY TOMPO hoe: Inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Vilany mangotraka no hitako ary mitongilana avy any avaratra ny vavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Inona no hitanao?» Ary hoy aho: «Mahita vilany mangotraka aho; ary avy any amin’ny lafiny avaratra no iaviany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mbola nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanontany hoe: –Ary inona no hitanao izao? Dia novaliako hoe: –Vilany mangotraka no hitako; avy any avaratra no mitongilana mankatỳ ny vavany.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’NY TOMPO hoe: Inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Vilany mangotraka no hitako ary mitongilana avy any avaratra ny vavany.
malagasy
Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.