Jeremiah 1:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy NY TOMPO; dia ho tonga ka samy hametraka ny sezafiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa, hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, - teny marin’i Iaveh. - Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany eo am-pidiran’ny vavahadin’i Jerosalema, eo anoloan’ny mandany rehetra manodidina, ary eo anoloan’ny tanànan’i Jodà rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa Izao TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin’ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny sezafiandrianan’ny mpanjakany avy eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanàn-dehibe rehetra any Joda.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy NY TOMPO; dia ho tonga ka samy hametraka ny sezafiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa, hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
malagasy