Jeremiah 1:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ianao kosa dia misikìna ary miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra azy ireo, fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianao kosa: misikìna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianao kosa, ry Jeremià, misikìna, mitsangàna ka ambarao azy izay rehetra nandidiako anao. Aza matahotra azy ianao fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany.
Malagasy Bible 1865
Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ianao kosa dia misikìna ary miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra azy ireo, fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
malagasy
Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.