Jeremiah 1:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sy tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, ka hatramin’ny taona farany nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11 nanjakan’i Tsedekià tamin’ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy.
malagasy