Jeremiah 10:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin’ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory.
Malagasy Bible 1865
Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon'aina ao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy.
malagasy