Jeremiah 10:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mianatra ny fanaon’ny Jentilisa; aza matahotra ireo famantarana eny amin’ny lanitra; fa ny Jentilisa no matahotra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Aza mianatra ny lalan’ny firenena, ary aza mety matahotra izay famantarana eny an-danitra, toy ny atahoran’ny firenena azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Aza ianaranareo ny fomban’ny firenen-kafa; ary aza atahoranareo ny famantarana izay miseho eny an-danitra, fa ny firenen-kafa no matahotra ireny.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon 'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mianatra ny fanaon’ny Jentilisa*; aza matahotra ireo famantarana eny amin’ny lanitra; fa ny Jentilisa no matahotra izany.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.[Heb. didin']