Jeremiah 10:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Injany misy resaka mandeha hoe: Indro, tamy amin’ny fihorakorahana be avy any amin’ny tany avaratra izy mba hahatonga ny tanànan’ny Joda ho lao sy ho fonenan’ny amboadia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy tsaho sy siosion-teny! Injany tamy izy, misy tabataba be avy amin’ny tany avaratra, hanova ny tanànan’i Jodà ho efitra, sy fieren’amboadia!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Injany misy feon-javatra mirohondrohona sy mihamanatona, dia fanakorontanana goavana avy any amin’ny tany avaratra any, mba hahatonga ny tanànan’i Joda ho lao sy ho fonenan’ny amboadia.
Malagasy Bible 1865
Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny amboadia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Injany misy resaka mandeha hoe: Indro, tamy amin’ny fihorakorahana be avy any amin’ny tany avaratra izy mba hahatonga ny tanànan’ny Joda ho lao sy ho fonenan’ny amboadia.
malagasy
Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny amboadia.