Jeremiah 10:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aidino amin’ny Jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ny taranaka izay tsy miantso ny anaranao; fa mandripaka an’i Jakoba ireo, eny, mandripaka sy mandringana azy, eny mandrava ny fonenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny firenena tsy mahalala Anao no rotsahy ny fahatezeranao, dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao; fa nolanîny i Jakôba dia nolanîny, vitainy izy, ary ny fonenany ravany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny firenen-kafa izay tsy mahalala Anao, dia ny vahoaka izay tsy mivavaka aminao, no aoka hisafoahan’ny hatezeranao. Fa nandripaka an’i Jakôba ireo, eny, nandripaka azy hatramin’ny farany ary nandrava ny toeram-ponenany.
Malagasy Bible 1865
Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aidino amin’ny Jentilisa* izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ny taranaka izay tsy miantso ny anaranao; fa mandripaka an’i Jakoba ireo, eny, mandripaka sy mandringana azy, eny mandrava ny fonenany.
malagasy
Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.