Jeremiah 10:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena! Fa mendrika Anao izany, fa amin’ny hendry rehetra amin’ny firenena sy amin’ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zovy no tsy hatahotra Anao; ry mpanjakan’ny firenena ô, Ianao tsy maintsy atahorana. Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena, sy eo amin’ny fanjakany rehetra, tsy misy tahaka Anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ireo firenena, fa mendrika anao izany. Ny hendry rehetra amin’ireo firenena sy ao amin’ireo fanjakana rehetra dia tsy misy mitovy aminao.
Malagasy Bible 1865
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena! Fa mendrika Anao izany, fa amin’ny hendry rehetra amin’ny firenena sy amin’ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
malagasy
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.