Jeremiah 10:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza izany, asan-tanan’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy volamena; lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; asan’ny manan-talenta izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Volafotsy voatefy avy any Tarsisa, volamena avy any Ofaza; asan’ny mpisokitra sary, asan-tanan’ny mpanefy volamena! Tafîna jaky volomparasy sy mena izany; asan-tanan’ny mpahay zavatra avokoa izy ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo sampy ireo dia ravahana takela-bolafotsy avy any Tarsisy na volamena avy any Ôfira, izay namboarin’ny mpanao asan-tanana sy ny mpanefy firavaka; ary lamba jaky sy volomparasy no nampitafiana azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny sampy rehetra ireny.
Malagasy Bible 1865
Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra.