Jeremiah 11:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izy dia niverina nankany amin’ny heloky ny razany izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamanitra hafa izy ka nanompo azy. Nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin’ny razany, ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany, izay nandà tsy hihaino ny teniko; ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny. Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niverina amin’ny fahadisoan’ireo razany taloha izay tsy mety nihaino ny teniko izy, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy. Nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay nataoko tamin’ny razany ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izy dia niverina nankany amin’ny heloky ny razany izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamanitra hafa izy ka nanompo azy. Nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin’ny razany, ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.
malagasy