Jeremiah 11:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia handeha ny tanànan’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin’ireny andriamaniny izay efa nandoroany ditin-kazo manitra ireny; nefa tsy hahavonjy azy akory ireny amin’ny andro fahoriany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an’ireo andriamanitra nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin’ny andron’ny fahoriany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia handeha hitaraina any amin’ireo andriamanitra izay nandoroany ditin-kazo manitra ny mponina amin’ny tanànan’i Joda sy i Jerosalema nefa tsy hahavonjy azy mihitsy ireny rehefa hiharan’ny loza izy.
Malagasy Bible 1865
Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.