Jeremiah 11:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo ho an’ilay mampahamenatra, dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny Baala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»
Malagasy Bible 1865
Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo ho an’ilay mampahamenatra, dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny Baala*.
malagasy
Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.