Jeremiah 11:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanao inona ao an-tranoko ny malalako? Efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ny maro izy. Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra? Raha azon-doza ianao, mifalia ary!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Inona no hataon’ny malalako ao an-tranoko? Fihatsarambelatsihy va? Moa va ny voady aman-kena masina, hahafaka anao amin’ny loza manindry anao, no mety mirobiroby amin’ny firavoravoana ianao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO hoe: «Ilay vahoaka malalako dia manao zavatra tsy amin-kitsim-po. Inona moa no ataony atỳ an-tranoko? Moa ny voady sy ny sorona ataony amiko ve hampandositra ny loza hiala aminy ka hahafahany mihodivitra tsy ho azony?
Malagasy Bible 1865
Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanao inona ao an-tranoko ny malalako? Efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ny maro izy. Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra? Raha azon-doza ianao, mifalia ary!
malagasy
Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary![Na: Nahoana ny malalako no manao fahavetavetana eto an-tranoko? Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra?]