Jeremiah 11:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy, dia tamin’ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny Baala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy, dia tamin’ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny Baala*.
malagasy
Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.