Jeremiah 11:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izaho dia tahaka ny zanak’ondry bonaika izay entina hovonoina; ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbaintsika ny hazo mbamin’ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina, ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe: «Fongory mbamin’ny voany ny hazo! Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa toy ny zanakondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: «Andeha hosimbantsika ny hazo ao anatin’ny fitsiriany; aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.»
Malagasy Bible 1865
Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izaho dia tahaka ny zanak’ondry bonaika izay entina hovonoina; ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbaintsika ny hazo mbamin’ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
malagasy