Jeremiah 11:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia izay nandidiako ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, izay avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, ka nilazako hoe: Mihainoa ny feoko ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay nandidiako ny razanareo, tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, avy any amin’ny memim-by, nanaovako taminy hoe: Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany, araka izay rehetra andidiako anareo, dia ianareo ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia izay nandidiako ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, izay avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, ka nilazako hoe: Mihainoa ny feoko ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo
malagasy