Jeremiah 11:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hotanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho hoe: Amena, RY TOMPO ô!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hanatanterahako ny fianianana, nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely, araka izao hita izao.» Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hotanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho hoe: Amena*, RY TOMPO ô!
malagasy
Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô![Heb. Amena]