Jeremiah 11:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy nihaino izy ireo na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ny ditran’ny fo ratsiny ihany izy ireo. Koa nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’izao fanekena izao, dia ilay nasaiko nataony nefa tsy nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina; fa samy nandeha nanaraka ny ditran’ny fo ratsiny; ka dia notanterahiko taminy ny teny rehetra amin’ity fanekena ity, izay nandidiako azy hotandremany; nefa tsy notandremany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa tsy nihaino na niraharaha akory izy fa samy nikiry tamin’ny ditram-pony mahatsiravina ka nampiharako ny teny rehetra tao amin’ity fanekempihavanana ity, satria tsy nanaraka izay nodidiako harahiny izy.»
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy nihaino izy ireo na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ny ditran’ny fo ratsiny ihany izy ireo. Koa nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’izao fanekena izao, dia ilay nasaiko nataony nefa tsy nataony.
malagasy