Jeremiah 12:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mifandahatra aminao aho, TOMPO ô, dia Ianao no marina; nefa aoka ihany kosa aho mba handahatra Aminao: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpikomy rehetra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Marina Ianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny: Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?
Malagasy Bible 1865
Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mifandahatra aminao aho, TOMPO ô, dia Ianao no marina; nefa aoka ihany kosa aho mba handahatra Aminao: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpikomy rehetra?
malagasy
[Ny fitarainana nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah azy] Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?