Jeremiah 12:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha mba nianatra ny fanaon’ny oloko tokoa ireo ary hianiana amin’ny anarako hoe: Velona NY TOMPO, tahaka ny nampianaran’ireo ny oloko hianiana amin’ny Baala, dia haorina ao amin’ny oloko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha mianatra ny lalan’ny vahoakako izy, ka amin’ny Anarako no hianianany hoe: Velona i Iaveh! toy ny nampianarany ny vahoakako hianiana amin’ny anaran’i Baala, dia voaorina eo amin’ny vahoakako izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampianatra ny vahoakako hianiana amin’ny Bahala ireo ratsy fanahy ireo; kanefa raha mianatra tsara ny fanaon’ny vahoakako izy ka hianiana amin’ny anarako hoe: ‹Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...›, dia hanam-ponenana indray eo anivon’ny vahoakako.
Malagasy Bible 1865
Koa raha mba hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina ao amin'ny oloko izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha mba nianatra ny fanaon’ny oloko tokoa ireo ary hianiana amin’ny anarako hoe: Velona NY TOMPO, tahaka ny nampianaran’ireo ny oloko hianiana amin’ny Baala*, dia haorina ao amin’ny oloko izy.
malagasy
Koa raha mba hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina ao amin'ny oloko izy;Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.