Jeremiah 12:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany sy hahalazoan’ny ahitra eny amin’ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; fa hoy ireo: Tsy mba mahita izay hoavintsika Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany, sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra? Noho ny haratsian’izay monina eo dia maty avokoa ny biby amam-borona, fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»
Malagasy Bible 1865
Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany sy hahalazoan’ny ahitra eny amin’ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; fa hoy ireo: Tsy mba mahita izay hoavintsika Izy.
malagasy