Jeremiah 13:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny andilan’ny olona no nampiraiketako ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda rehetra tamiko, hoy NY TOMPO, mba ho oloko, ho laza sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny, kanjo tsy nety nihaino izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny tehezan’ny olona, no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko, - teny marin’i Iaveh, - mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra, nefa tsy nihaino Ahy izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny amatoran’ny olona ny fehikibo amin’ny kibony, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, no nifatorako tamin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda rehetra mba hahatonga azy ho vahoakako sy ho lazako, ho voninahitro sy ho firavako. Kanjo tsy nety nihaino Ahy izy.»
Malagasy Bible 1865
Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona no nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny andilan’ny olona no nampiraiketako ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda rehetra tamiko, hoy NY TOMPO, mba ho oloko, ho laza sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny, kanjo tsy nety nihaino izy.
malagasy