Jeremiah 13:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary lazao aminy izao teny izao: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny tavoara rehetra dia hofenoina divay; ary raha miteny aminao izy hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa hofenoina divay ny tavoara rehetra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao azy ireo izao teny izao: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay.» Fa izy ireo hamaly hanao hoe: «Moa tsy fantatray va, fa rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ndeha lazao amin’ny vahoakan’i Israely sy amin’ny vahoakan’i Joda, ry Jeremià, ity hafatra ity: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Ny siny rehetra dia natao hofenoina divay!» Ary raha mamaly anao izy hoe: «Fantatray tokoa fa natao hofenoina divay ny siny rehetra»,
Malagasy Bible 1865
Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary lazao aminy izao teny izao: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny tavoara rehetra dia hofenoina divay; ary raha miteny aminao izy hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa hofenoina divay ny tavoara rehetra?
malagasy