Jeremiah 13:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manomeza voninahitra NY TOMPO Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny haizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo; fa amin’izany, raha miandry ny mazava ianareo dia hataony tonga aloky ny fahafatesana izany ka hampodiny ho haizim-pito.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny haizina, dieny tsy mbola mipoka amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo, dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Omeo voninahitra ny TOMPO Andriamanitrareo, dieny tsy mbola nahatonga haizina Izy ary dieny tsy mbola tafintohina ny tongotrareo eny an-tendrombohitra rakotry ny alina eny. Miandry ny mazava ianareo, kanjo hovany ho alo-pahafatesana izany sy hataony toy ny rahona mainty.
Malagasy Bible 1865
Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manomeza voninahitra NY TOMPO Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny haizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo; fa amin’izany, raha miandry ny mazava ianareo dia hataony tonga aloky ny fahafatesana izany ka hampodiny ho haizim-pito.
malagasy