Jeremiah 13:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy hihaino izany ianareo dia hitomany any amin’ny mangingina aho satria misy fiavonavonana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso hijononoka be satria voababo ny ondrin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy mihaino izany ianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy hihaino izany ianareo dia hitomany any amin’ny mangingina aho satria misy fiavonavonana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso hijononoka be satria voababo ny ondrin’NY TOMPO.
malagasy
Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah.