Jeremiah 13:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa mahova ny hodiny va ny Kosita? Ary mahova ny sorany va ny leoparda? Toy izany koa, moa mahay manao ny tsara va ianareo izay efa zatra nanao izay ratsy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hahova ny hodiny va ny Etiôpianina, hahova ny sorany va ny leoparda? Ary ianareo va hety hanao ny tsara?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Afaka hanova ny volon-kodiny ve ny Etiôpianina na afaka hanova ny sorany ve ny leôparda? Tsia! Dia toy izany koa ianareo, izay efa zatra manao ratsy: tsy afaka hanao ny tsara intsony ianareo!
Malagasy Bible 1865
Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa mahova ny hodiny va ny Kosita? Ary mahova ny sorany va ny leoparda? Toy izany koa, moa mahay manao ny tsara va ianareo izay efa zatra nanao izay ratsy?
malagasy
Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.[Anaram-biby masiaka sady misoratsoratra]