Jeremiah 13:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no anjara azonao tamin’ny antsapaka, dia anjara voarefy ho anao, avy Amiko hoy NY TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin’ny lainga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no anjaranao, anjara voalanjako, ho anao, - teny marin’i Iaveh, - satria ianao nanadino Ahy, sy nitoky tamin’ny lainga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry Jerosalema, izao no voatendry ho anao, dia ilay anjara nomaniko ho anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nifikitra tamin’ireo andriamani-tsiizy:
Malagasy Bible 1865
Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin'ny lainga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no anjara azonao tamin’ny antsapaka, dia anjara voarefy ho anao, avy Amiko hoy NY TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin’ny lainga.
malagasy
Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin'ny lainga.