Jeremiah 13:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’ny ony Eofrata aho ka nikaroka sy naka ilay fehikibo tao amin’ny toerana nanafenako azy; kanjo indro, simba ilay fehikibo ka tsy misy ilàna azy intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehikibo teo amin’ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indro, simba tsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehikibo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niverina tany Farà aho mba hamongatra sy haka ilay fehikibo tao amin’ny toerana izay nanafenako azy. Kinanjo indro efa lò tanteraka, tsy azo ampiasaina intsony ilay fehikibo.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’ny ony Eofrata aho ka nikaroka sy naka ilay fehikibo tao amin’ny toerana nanafenako azy; kanjo indro, simba ilay fehikibo ka tsy misy ilàna azy intsony.
malagasy
Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.