Jeremiah 14:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ity firenena ity: Tiany ny mirenireny ka tsy mahajanona ny tongony; tsy sitraky NY TOMPO izy. Ankehitriny dia tsaroany ny helony ary valìny ny fahotany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, ny hiverenany atsỳ arỳ no tiany, ka tsy mahatana ny tongony izy. Tsy nankasitraka azy intsony i Iaveh; dia indro ho tsaroany amin’izao ny helony ary hovaliany ny fahotany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ity firenena ity: Tiany ny mirenireny ka tsy mahajanona ny tongony; tsy sitraky NY TOMPO izy. Ankehitriny dia tsaroany ny helony ary valìny ny fahotany.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.