Jeremiah 14:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa na dia mifady hanina aza izy dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; ary na dia manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza izy dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoiko ny fitarainany, rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
Malagasy Bible 1865
Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa na dia mifady hanina aza izy dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; ary na dia manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza izy dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
malagasy