Jeremiah 14:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy aho hoe: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Indreo ny mpaminany miteny aminy hoe: Tsy hiharan’ny sabatra ianareo ary tsy ho mosarena; fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ity toerana ity ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy aho namaly: «Indrisy, ry Iaveh Tompo ô, indreto ny mpaminany milaza amin’izy ireo hoe: Tsy hahita sabatra ianareo, ny mosary tsy hisy, fa homeko fiadanana azo antoka tsara amin’ity fiainana ity! »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: «Tsy hiharan’ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin’ity toerana ity.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan'ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin'ity tany ity ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan'ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin'ity tany ity ianareo.